|
|
|
|

Teny iditra1  mahafaty
Sokajin-teny  2  matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io
Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io ~ Poizina mahafaty
Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin' ny baolina
Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjato akory aho
Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany
Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto ~ Tsy misy hahafaty ny fahatsiarovako an' i Neny
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2, 1.7] To kill
5  [1.2] To put out a lamp
Fanazavàna teny frantsay  6  [1.3#157, 1.8] Tuer
7  [1.3#157] Pouvoir tuer, donner la mort, mortel
8  [1.3#157] Gagner au jeu, au commerce, gagner au pari
9  [1.3#157] Éteindre, effacer, enlever la force, abîmer, faire tomber en désuétude
10  [1.3#157] Éreinter, assommer, empester, étouffer
Ohatra  11  [1.123#] Ny mamono olona mahafaty olona.
12  [2.508#] Ny sazin'ny heloka tsy mahafaty.
13  [2.606#] Nareo, hoy i, tsy raha mahafaty ahy!
14  [1.3#157] mahafaty io poizina io (Ce poison est mortel)
15  [1.3#157] mahafaty ny hafanana (La chaleur est assommante)
16  [1.3#157] nahafaty olona iray izy (Il a tué une personne)
17  [2.528#] Heloka mahatapa-doha izany, heloka mahafaty izany!
18  [1.3#157] mahafaty ity fiakarana ity (Cette montée éreinte)
19  [1.3#157] nahafaty ny vary ny rano (L’eau a abîmé le riz)
20  [1.3#157] mahafaty ny fofon' io fatim-biby (Cette charogne empeste)
21  [1.3#157] mahafaty izany setroka izany (Cette fumée est étouffante)
22  [1.3#157] nahafaty ny jiro ny rivotra (Le vent a éteint la chandelle)
23  [1.3#157] mahafaty tena ho an’ ny zanany izy (Il se tue pour ses enfants)
24  [1.3#157] Tsy mahafaty ny mamba ny bala (Les balles ne peuvent tuer un caïman)
25  [1.3#157] Tsy hahafaty azy io aretina io (Cette maladie ne lui donnera pas la mort)
26  [1.3#157] Ny ranonorana no nahafaty io hosodoko io (La pluie a abîmé cette peinture)
27  [1.3#157] Inona no nahafaty io soratra io? (Qu’est-ce qui a effacé cette écriture?)
28  [1.3#157] nahafaty ariary telo aho tany an-tsena (J’ai gagné trois piastres au marché)
29  [1.3#157] Iza no nahafaty taminareo roa lahy? (Quel est celui de vous deux qui a gagné au jeu?)
30  [1.3#157] Inona no nahafaty ny herin' ity toaka ity? (Qu’est-ce qui a diminué la force de ce rhum?)
Fototeny  31  faty
Haiendriteny 
32  Ny ankehitriny :
33  Ny lasa :
34  Ny hoavy :
35  Filaza mandidy :
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  40  mahafaty, mahatafy

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21