Teny iditra manavanana (havanana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mampiasa ny tanan-kavanana: Raha mbola kely ny zaza dia hita sahady na hanavanana na hanavia
¶ Mahakinga: Manavanana azy ny miteny
¶ Mahavantana, mora arahina: Manavanana ny olona itý lalana itý
¶ Tsy mahamenamenatra, tsy manahirankirana: Lazainy fa manavanana azy ny lehibe mpampiasa azy ka vonona haneho ny fanirian' ny mpiara-miasa izy. [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy right, on the right; to be dexterous, to work with the right hand upwards in holding anything with both hands. [Richardson 1885]
 to be easy, to be convenient for one [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay être facile; qu'on trouve commode [Hallanger 1974]
Endriteny 
manavanana
nanavanana
hanavanana
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra ny tahon-karavasy sy tanan-jioga no manavanana azy kokoa fa tsy zavatra hafa. [Andraina: Mitaraina, takila 12]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31