Teny iditra mandevilevy (levilevy (levy))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mangotraka: Efa mandevilevy ny rano ka arotsahy amin' izao ny vary
Miontanontana izaitsizy (na alahelo na hatezerana): Nandevilevy ny foko tamin' ny fatin' ny zokiko
Mananatra na maniny olona amin' ny hadisoana nataony na ny tsy fanaovany adidy tokony honataony: Nandevilevy azy daholo ny manodidina tamin' ny nanafenany an' ilay mpangalatra
Mandrahona manao teny mahery noho ny hatezerana: Nandevilevy azy mafy rainy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To threaten, to scold [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Gronder, gourmander [1.8]
Ohatra Fa tonga vereza faty, Ka mandevilevy ny àty. [1.437]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandevilevy
Ny lasa : nandevilevy
Ny hoavy : handevilevy
Filaza mandidy : mandevileve

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20