|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mandingana (dingana)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Mitsambikina avy eo amin' ny ilan' ny tatatra, rano, hady... iray ka miampita erý amin' ny ilany iray: Tsy afaka mandingan-tatatra ny vehivavy sasany amin' ny zipony tery loatra
4  Mamela, manadino: Nandingana andalan-tsoratra efatra ianao tamin' ny tsianjery tao
5  Manitsaka: Tsy havelako handingana ny taniko intsony iny fa mpangalatra
6  Enti-misolony anarana hoe dingana amin' ny filazana ny refy: Impolo mandingana ny refin' itý trano itý
7  Mihoatra (fefy): Zazakely io ve ho afaka handingana tamboho tsivikinindahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  to step over, to leap over, to jump to from a distance, to skip in reading [1.2]
9  to step over; to leave out, to skip [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10  enjamber, franchir, sauter, omettre [1.8]
Ohatra  11  Matiko hianao raha mandingana indray mandeha eo, hoy Ikemba. [2.499#]
12  Nandroso indray mandingana nanatona ilay mpanao dika vilana aho. [2.643#]
13  Mandroso indroa mandigana izy dia mihemotra na mivily indray mandingana. [1.369#]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Kamban-teny 

Teny iditra (2/2)19  mandingàna (dingana)
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandingana
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Tsanganana sy sary iray takila  21  Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra

Fivaditsoratra  22  mandingana, mandingàna, mandingana, mandingàna

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20