|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mandritra
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Manao izay hahatankina: Mandritra dobo
Mahandro hena amin' ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Mandritra henan-kisoa
Mandany, maharingana: Mandritra ny harena ny fisotroantoaka
Fanazavàna teny frantsay  4  [1.3] dessécher, épuiser, évaporer, exterminer; ruiner
Fototeny  5  ritra
Haiendriteny 
6  Ny ankehitriny :
7  Ny lasa :
8  Ny hoavy :
9  Filaza mandidy :

Teny iditra (2/2)10  mandritra
Sokajin-teny  11  mpampiankin-teny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  12  [1.1] Enti-milaza ny fotoana aharetan' ny asa na zavatra iray: Niasa nandritra ny adiny fito aho
Maninjitra, mipaka, ngarangidina, saingy amin' ireo, ny teny milaza ny fotoana no atao aloha: Niasa adiny fito maninjitra aho
Fanazavàna teny anglisy  13  [1.7] during, until the end of
Fanazavàna teny frantsay  14  [1.8] pendant, jusqu'à la fin de
Ohatra  15  [2.470] Eny an-tsena any no lahasa mandritra ny zoma maty masoandro.
16  [2.472] Iny foana niresakay tao an-trano mandritra ny herinandro.
Voambolana  17  Fotoana
Fototeny  18  ritra
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  20  mandratry, mandritra

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21