Teny iditra maneho (seho)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamboraka mba ho hita, mampiseho (raha zavatra ara-tsaina na ara-panahy no lazaina): Maneho fahendrena izany fihetsika izany ~ Tonga izahay, tompoko, haneho fiaraha-miory aminareo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To exhibit, to display [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Montrer, exhiber [1.8]
 Présenter, montrer, faire apparaître, exhiber, représenter, révéler [1.13]
Ohatra 
1Ny tapatapany amin' ny tantaram-pirenena iankinan' ity lahatsoratra ity dia maneho zava-marina avokoa. [2.472]
2Maneho ny hatavin' ny fanasana mbamin' ny ranondolana isodihan' ny menaka. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maneho
Ny lasa : naneho
Ny hoavy : haneho
Filaza mandidy : manehoa

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20