Teny iditra manendy (endy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mahandro zavatra amin' ny menaka fa tsy amin' ny rano: Manendy akoho ao anaty vilany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to fry [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay faire frire [Hallanger 1974]
Endriteny 
manendy
nanendy
hanendy
manendasa, manendaza
Ohatra manam-boanjo ka tsy mba manendy [Fox: Hainteny, laharana 367]

Teny iditra Manendy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Famaritana malagasy Anarana foko anankiray mpanao ny raharahan' ny Andriamanjaka fahiny [Rajemisa 1985]
Ohatra 
1Ny Manendy roa tonta, Anosivola sy Anativolo dia samy tarana-bazimba. [Randriamamonjy: Tantara, takila 38]
2Nisy tobin' ombin' andriana tany tamin' izany, namanan' ny Manendy maromaro izay hovalahy iray no nifehy azy. [Andraina: Mitaraina, takila 108]

2017/06/11