Teny iditra |
mangoratsaka
(horatsaka)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Madio tsisy rahona na pitiny kely aza: Mangoratsaka ny volam-penomanana / Mavamavana na tany lanjadiany / Indro kosa fa ny foko miantsinanana / Manin-dava iny Ranomasina iny. (R. R-R) [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | être d'un blanc pur [1.3]
|
Ohatra |
1 | Diavolana mangoratsaka no niainganay teo an-tseranan' i Toamasina, mba hanjono any afovoan-dranomasina any.
[2.471]
|
2 | Mangoratsaka ny volam-penomanana ka manome taratra somambisamby amin' ny tany hazavainy.
[2.470]
|
|
|