|
|
|
|

Teny iditra1  manjombona
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] maloka fa rakotry ny rahona ny habakabaka: Manjombona ny andro
malahelo endrika, oriory tarehy sy maloka: Manjombon-dava no ahitako an' io Rangahy lo
mampiseho ahiahy: Manjombona ny endriny
maizimaizina, tsy mazava: Hazavao fa manjombona ny hevitrao
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to be cloudy; be gloomy (of the face)
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3] sombre, obscur, nébuleux
être sombre
6  [1.8] être nuageux, sombre; avoir le visage sombre
Ohatra  7  [1.3#299] Manjombon-dava io vehivavy io (Cette femme est toujours sombre)
8  [2.4] Endrika manjombona daholo ny an' ny eran' ny trano.
9  [2.470#26] Maimaina sy manjombona ery ny tavan-dRainitoandro amin' izay.
10  [2.442#98] ny tontolo iainana Zavaboary malagasy manjombona be ny andro.
11  [2.499#100] hoy Rabery, izato androm-pahalehibeazantsika Razafy, takariva manjombona!
Fototeny  12  jombona
Haiendriteny 
13  Ny ankehitriny :
14  Ny lasa :
15  Ny hoavy :
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny manjombona io

Fivaditsoratra  17  anjombonam, manjombona

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21