Teny iditra manohoka (tohoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manisy fefy mba ho tampina ny rano ka hihandrona: Tokony efa hanohoka tanimbary isika izao
Manisy kitay betsaka miavovona eo am-patana [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manohoka
Ny lasa : nanohoka
Ny hoavy : hanohoka
Filaza mandidy : manohofa

Teny iditra manohoka (hohoka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mametra-javatra ka ny vavany no atao ambany: Manohoka vilany
Mandentika ao anatin'ny fahoriana
Mamono zaza amin'ny fampandriana azy tsy mitsilany fa ny kibony no atao ambany mandry: Nanohoka ny zanany nolazaina ho ratsy vintana ny olona taloha [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manohoka
Ny lasa : nanohoka
Ny hoavy : hanohoka
Filaza mandidy : manohofa

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20