Teny iditra manombo (hombo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mamantsika, mihazona na mitana mafy: Nanombo an' i Kristy tamin' ny hazo fijaliana ny Jody
Mandentika olona amin' ny teny nataony ihany: Nanombo ahy tamin' ny teniko ihany i dada [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To fasten with nails or spikes [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Attacher avec des chevilles ou des clous [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manombo
Ny lasa : nanombo
Ny hoavy : hanombo
Filaza mandidy : manomboa

Teny iditra manombo (tombo)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy ( mihombo no fampiasa matetika kokoa): Mihamafy (enti-milaza aretina): Nanombo ny aretiny hatramin' ny omaly [1.1]
Tovy hevitra mihombo

Teny iditra manombo
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Mitombo [1.78]
  [Taisaka] Manitatra, mihalehibe [1.78]
  [Tanosy] Mampitombo, manitatra [1.78]

Teny iditra Manombo
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Fleuve de la région du nord-ouest de la sous-préfecture de Tuléar ... Il reçoit sur sa rive droite l'Adranojaza [1.11]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20