Teny iditra | 1 mbola |
Sokajin-teny | 2 tambinteny |
Fanazavàna teny malagasy |
3 (miaraka amin' ny milaza ny ankehitriny na ny lasa): enti-milaza fa eo am-panaovana na teo am-panaovana asa iray ilay olona tenenina: Mbola miasa izy fa aza tabatabaina ~ Mbola nisakafo izahay tamin' izy tonga 4 (miaraka amin' ny milaza ny ho avy): enti-milaza fitohizana na fiverenana asa efa nisy teo aloha: Mbola hanoratra aminao aho amin' ny herinandro ambony ~ Mbola hatory indray aho rehefa afaka kelikely 5 (na fahatongavan-javatra efa nandrasana): Mbola ho avy izy fa aza matahotra 6 (miaraka amin' ny "tsy") samy azo atao eo aloha na eo aorian' ny "mbola" ny "tsy", saingy matetika raha filazana tsotra, dia ny "mbola" no atao aloha: Mbola tsy tonga lahy Rakoto, fa raha mamaly fanontanana kosa, ny "tsy" no atao aloha: Efa tonga ve Rakoto? Tsy mbola tonga izy, tompoko (marihina fa amin' ity farany ity dia azo tsy averina ny fehezanteny manontolo, fa ny "mbola" kosa no miova hoe mbolana: Efa tonga ne Rakoto? Tsy mbolana, tompoko) [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
7 yet, still [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
8 encore, pendant que [1.8] |
Kamban-teny |
|
Tsanganana sy sary iray takila |
11 Ny tambinteny rehetra |
Fivaditsoratra | 12 lambo, lomba, mbola |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |