Teny iditra (1/2) | 1 miantoka |
Fototeny | 2 antoka |
Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
4 [1.1] Milaza ny tena ho tompon' andraikitra momba ny zavatra Iray raha very na simba na tsy vita araka ny fifanarahana fo zavatra io, ka manao izay hiverenany na hahavitany: Aza matahotra ianao fa izaho no miantoka ny volanao nosamborin-dRakoto Milaza fa ny tena no tompon' andraikitra momba ny toetran' olona iray na zavatra iray: Izaho no miantoka io voampanga io fa aoelao aloha izy hody any amin' ny fianakaviany Mandray ho andraikitra ny fandoavana ny vola lany: Tsaboy tsara ity marary ity fa izaho no hiantoka izay lany |
Fanazavàna teny anglisy |
5 [1.2] to be surety for. 6 [1.7] to guarantee; to carry the expense of; to insure, to go good for |
Fanazavàna teny frantsay |
7 [1.8] garantir; se charger des frais de; assurer |
Ohatra |
8 Fantatro anefa fa tsy miantoka na inona na inona izany. [2.472] 9 Miasa andro aman' alina ny sambo amin' ny fanondranana entana, saingy efa-dahy izahay no miantoka ny fanisana entana, ka roa lahy isaky ny miditra. [2.471] |
Haiendriteny |
|
Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny miantoka io |
Teny iditra (2/2) | 15 miantoka |
Fototeny | 16 antoka |
Sokajin-teny | 17 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny anglisy |
18 [1.2] to nod assent. |
Haiendriteny |
|
Fivaditsoratra | 23 ikatonam, ikotanam, itakonam, itokanam, mañotaky, manotika, miantoka, mikatòna, mikatona, mikotàna, mikotana, mitakòna, mitakona, mitokana, mitokàna, mitonaka, mitonàka, namitako, namotika, natokiam, nimotaka, tamaniko |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08 |
![]() |