Teny iditra |
mibotetaka
(botetaka)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mipetraka amin' ny tany, mitorovoka: Tsy nisy seza ka dia nibotetaka tamin' ny tany daholo ny olona mpamangy Mijanona amin' ny toerana ambany misy ny tena: Tsy mba mikezaka handroso izy fa mibotetaka amin' ny misy azy eo ihany Mipetraka tsy manao na inona na inona fa manohon-tanana: Mibotetaka ao an-trano ao foana Rabe fa tsy miasa [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To be low, to sit down low, to squat, to grow low and shrubby [1.2]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mibotetaka |
Ny lasa : |
nibotetaka |
Ny hoavy : |
hibotetaka |
Filaza mandidy : |
mibotetaha |
|
|