Teny iditra Midona moramora
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Ny Avana
Lahatsoratra 
Midona moramora
Ny any Ankaratra any;
Manembona isan'ora
Izay mandre izany.

Ny zavona mamono
Ilay Ambohimiangara,
Fa manina azy, hono,
Ny tiana, hany zara.

Manombana ho avy
Ny any Ambohimanoa;
Ny ranomasoko avy
No indray mirotsa-droa.

Mijojo vao maraina
Ilay Angavokely;
Ny alahelon-tsaina
Tsy hita velively.

Maneri-takariva
Ny eny Andringitra eny;
Ka dia " Mahatsiahiva "
No voalohan-teny.
Tomanitany lava
Ny fody eny Imanga.
Ny sento tsy misava.
Ny tiana tsy mitranga.

Tataovan-drahomanga
Iarivo indraindray;
Ireny miampanga
Fa manina izahay.

Veloma indrindra àry,
Veloma tsy doria;
Ka enga tsy harary,
Ry tiana sady tia.

Veloma mahatsiahy
No sisa holazaina.
Mandreraka fanahy
Ny ranomason-tsaina.

Tsahivo anefa izao
Ny fara tononkira:
Ny sora-tananao
No hany " sovenira " .
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02