Teny iditra mifarombaka (farombaka (rombaka))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mifanesika hanao asa, haka zavatra, hiteny: Nifarombaka naka ny baolina ny mpilalao ka nisy naratra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Se précipiter plusieurs à la fois pour prendre quelque chose, s’empresser plusieurs à la fois pour faire un travail, se presser plusieurs à la fois pour parler: Nifarombaka ny voan-kazo ny ankizy (Les enfants se précipitèrent sur les fruits) ~ Nifarombaka ny borizany mba haka ny entany (Les porteurs se précipitèrent pour prendre leurs paquets) ~ Nifarombaka naka vary tany an-tsaha izy rehetra (Ils s’empressaient tous d’aller chercher le riz à la rizière) ~ Nifarombaka mba handaha-teny izy telo lahy (Ils se pressaient tous les trois pour prendre la parole [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifarombaka
Ny lasa : nifarombaka
Ny hoavy : hifarombaka
Filaza mandidy : mifarombaha

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/09