Teny iditra mifositra (fositra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandoaka
Mandilotra hazo iray eo ambonin' ny hazo iray hafa mba hahazoana afo [1.1]
  [Sihanaka] Milevina, misitrika anaty tany [1.78]
Fanazavàna teny anglisy To produce fire by friction.
To enter anything, to hide in the earth, to become embedded, as locusts and chameleons in depositing their eggs, or as a serpent in the grass, etc. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Percer
Faire tourner un bois dans un autre pour produire du feu
Faire un trou dans la terre pour y déposer des oeufs, comme font les sauterelles: Mifositra ny fasika ny valala hanatodiza (Les sauterelles font un trou dans le sable pour y déposer leurs oeufs) [1.3]
Ohatra Raha nisy nandalo tamin' izay fotoana izay, dia ho nahita lehilahy iray amin' ny mangiran-dratsy, mifositra amin' ny tany eo ambody hazo, misy basy marovava sy angady eo akaikiny, mitomany mifokofoko irery eo. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifositra
Ny lasa : nifositra
Ny hoavy : hifositra
Filaza mandidy : mifosera

Teny iditra mifositra (fositra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Milozoka, mikezaka, mifofotra, milofo: Mifositra amin' ny asany io lehilahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be continually engaged in business with another; to urge importunately. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay S'appliquer avec ardeur: Mifositra amin' ny asany izy (Il s'applique avec ardeur à son travail) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mifositra
Ny lasa : nifositra
Ny hoavy : hifositra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/12