Teny iditra mihatra (hatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Tonga hatrany amin' ny...: Efa mihatra hatramin' ny rihana ambony ny afo
Tongamipaka amin' ny: Mihatra amin' ny lehibe ny fitarainanao
Mikasika, miantefa (amy): Mihatra aminareo mpianatra indrindra ny teniko
Miantraika, mianjera: Mihatra amin' ny fianakaviana manontolo ny heloka vitan' ny olona iray ao anatiny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To reach to, to come to. [1.2]
 To happen to; to reach to [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Arriver à quelqu'un; s'appliquer à; atteindre [1.8]
Ohatra 
1Tsy maintsy mihatra aminy izany. [2.499]
2Fitsipika roa mbola tsy mihatra ireo ankehitriny. [1.369]
3Nolazainy daholo ny zavatra rehetra nihatra taminy. [2.324]
4Nony re tao an-tanàna ny nihatra taminay, dia tonga daholo ny havanay. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihatra
Ny lasa : nihatra
Ny hoavy : hihatra
Filaza mandidy : mihara
Kamban-teny 

Teny iditra mihatra
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] manasitrana [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20