|
|
|
|

Teny iditra1  mijaingijaingy
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Mandehandeha irery; mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin' ny famindra madinidinika nefa toa mangozohozo, mitongilana toa hianjera, marary: Nijaingijaingy tahaka ny akoho voakapoka izy niala avy tao
Mamindra toa mitsipitsipika: Lasa nijaingijaingy ny anao lahy nony voatonona ny anarany
Ohatra  4  [2.470#] Indraindray alim-pody avy ao amin-dRasoa mianakavy izy ka indry mijaingijaingy samirery mamaky ny lalan-kely mankeny aminy.
5  [2.356#] Hafa manko izany teo aloha : raha avy manao fanadinana dia lasa mijaingijaingy irery mamonjy sakafo tany amin' ny "restaurant.
Fototeny  6  jaingijaingy
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
Tsipelina hafa  10  mizaingizaingy
Tovy hevitra  11  mijaingy

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/12