Teny iditra milentika (lentika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Misitrika ao anaty rano, difotra ao anaty rano: Nidiran' ny rano ny lakana ka nilentika
Lasa nidify any ambadiky ny faravodilanitra: Amin' ny enina izao no milentika ny masoandro
Mihamifatratra, mihitsoka lalina ao anatin' ny faharatsiana, fahasahiranana, fahoriana: Milentika ao anatin' ny fahotanany olona sasany
Miraikitra, voasokitra: Milentika ato am-poko ny teninao
Mijanona ela be amin' ny toerana iray: Nahoana no nilentika tany an-tsena tany ise? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To sink; to set (of the sun) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay S'enfoncer; couler; se coucher (en parlant du soleil) [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : milentika
Ny lasa : nilentika
Ny hoavy : hilentika
Filaza mandidy : milenteha
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20