Teny iditra |
misamboaravoara
(samboaravoara)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina androany ¶ Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin' ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin' izy ireo [Rajemisa 1985]
|
Fandikana anglisy | to be turbulent, to rise in waves [Hallanger 1973]
|
Fandikana frantsay | être agité, s'agiter en vagues [Hallanger 1974]
|
Endriteny |
misamboaravoara
| |
nisamboaravoara
| |
hisamboaravoara
| |
|
Ohatra | tsy misy rivotra mitsoka fa tony dia tony ny habakabaka, nefa ny onja misamboaravoara, ary ny ampitso na afak' ampitso vao tonga ny tafiotra mahery arahin-dranonorana. [Andriamalala: Ranomasina, takila 18]
|
|