Teny iditra |
misasaka
(sasaka)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Famaritana malagasy | Mitapaka roa mitovy: Tsy mbola misasaka akory ny volana dia lany sahady ny karamany ¶ Mahazo ny antsasany avy: Tandremo fa tsy misasaka isika amin' ireto voankazo ireto satria izaho no nandoa vola be kokoa tamin' ny nividianana azy [Rajemisa 1985]
|
Fandikana frantsay | être divisé en deux, être
partagé en deux parties égales;
avoir pour soi la moitié d'un objet.
Aoka hisasaka isika amin'ity asa tanimbary ity (Partageons-nous en deux groupes pour bêcher cette rizière) ~
Tsy mbola misasaka tsara ity varintsika ity (Notre riz n'est pas encore bien partagé en deux parties égales ~
Misasaka amin'ity vola ity isika roa lahy (Chacun de nous deux doit avoir la moitié de cet argent, nous devons nous partager cet argent à nous deux) [Abinal 1888]
|
Endriteny |
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra | Indro ny iray toko tombon-dahinao, satria hianao no mpanjakan' ny biby rehetra, ary indry ny iray toko anao misasaka amy ny ahy. [Rabezandrina: Ikotofetsy]
|
Teny nalaina |
|