Teny iditra misokatra (sokatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] Mivoha [1.78]
 Afa-tsarona: Misokatra ny vata
Mitanatana; mivelatra: Aza misoka-bava rehefa matory. / Misokatra ny boky
Mivoha, mivoha voalohany: Tsy mbola nisokatra ny trano. / Mangazay vao nisokatra ity
Azo (atao, aleha, iasana, anjonoana...): Misokatra izao ny lalana mianatsimo. / Misokatra ny fanjonoana any Manjakatompo
Mihataka ny vavany, ny sisiny: Misokatra ny vavafery
Heno mafy ary mazava: Efa nisokatra izany ny feonao farina teo iny [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misokatra
Ny lasa : nisokatra
Ny hoavy : hisokatra
Filaza mandidy : misokafa
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20