|
|
|
|

Teny iditra1  misompatra
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Manao izay hahavoa ny sasany: Misompatra namana Ibalita ka tsy misy tia azy ny namany
Manimba zavatr' olona noho ny haratsian-toetra fotsiny izao: Tsy tsara ny misompatra volin' olona
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to do wanton damage
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] saboter, détruire par vandalisme
6  [1.6] voir manompatra
Ohatra  7  [2.606#] Fandidiana mantsy ny savatsy, mihatra aman'aina ka ilana fitandremana fatratra sao misy fahavoazana na misy misompatra amin'ny ody ratsy.
8  [2.296#] Ny finoana no ahalalantsika kristianina fa misy ireo fanahy tsara sy fanahy ratsy atao hoe anjely sy demony: tena elanelan' ny tany sy ny lanitra izy ireo, fa tsy biby tsy olom-belona ary tsy Andriamanitra, fa ny anjely mitahy antsika ary ny demony misompatra antsika.
Fototeny  9  sompatra
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  14  manompatra
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny misompatra io

Fivaditsoratra  16  mampitrosa, misompatra, mpamositra

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/02