Teny iditra mitarika (tarika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Traîner, tirer, attirer, conduire, diriger [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitarika, mitarik', mitari-
Ny lasa : nitarika, nitarik', nitari-
Ny hoavy : hitarika, hitarik', hitari-
Filaza mandidy : mitariha
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/25