|
|
|
|

Teny iditra1  mitarika
Fototeny  2  tarika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3] traîner, tirer, attirer, conduire, diriger
Haiendriteny 
6  Ny ankehitriny :
7  Ny lasa :
8  Ny hoavy :
9  Filaza mandidy :
Kamban-teny 
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny mitarika io

Fivaditsoratra  15  itraikam, miakatry, miatrika, miritaka, mitarika, mitraika, mitriaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21