Teny iditra mitatra (itatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy [ miitatra ] Miely, mihanaka: Efa miitatra izao ny fiompiana kisoa
Mitombo, mihalehibe; mihamalalaka: Miitatra ity akanjo ity rehefa misasa
Mitombo, mihamatanjaka, mandroso: Miitatra ny sain' ny ankizy
Miampy zavatra tsy tao: Miitatra tsy hita velively ny vaovao rehefa azon-dRamatoa io [1.1]
 Mitombo habe [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Se dilater [1.13]
Ohatra 
1Nitatra ny fanjakana tamin' ny androny [2.508]
2aoriana dia mety hitatra ny fampianarana [2.356]
3Mitatra koa ny hevitr' io teny io ankehitriny [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitatra
Ny lasa : nitatra
Ny hoavy : hitatra
Kamban-teny 
Tsipelina hafa 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/20