Teny iditra mitombina (tombina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mipetraka (olona na biby ihany): Tsy afaka mitombina izy fa misy vay lahy kely ao amin' ny fipetrahany ao
¶ Tsara fototra: Mitombina tsara ity tranonao ity izany
¶ Mipetraka milamina tsy manana ahiahy: Mitombina tsara amin' ny fokontany vao nifindrany izy
¶ Misy antony, misy fototra tsara: Tsy mitombina velively izany ahiahinao izany [Rajemisa 1985]
 tsara fototra ka marin-toerana [SLP 1986]
Famaritana frantsay stable [SLP 1986]
Endriteny 
mitombina
nitombina
hitombina
mitombèna
Ohatra Ramanambeloma mivady kosa no mitombina sy mandry ilika manoloana izany rehetra izany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 160]

2012/09/24