Teny iditra | mitsaika (tsaika) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Manatona moramora tsy re, toy ny fanaon' ny mpihaza na mpangalatra: Nitsaika ilay mpihaza no nahazoany ilay tsipoy Mangalatra mangingina tsy misy mahita: Nisy nitsaika ny satroko nihantona teto Enti-milaza ny zaza vao torontoronina ao an-kibon-dreniny: Zaza vao mitsaika io mampandoandoa anao io [1.1] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mitsaika io | ||||||||
Teny iditra | mitsaika (tsaika) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mifantina ny voam-bary tsara [1.1] | ||||||||
Teny iditra | mitsaika | ||||||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mitoe-jaza [1.13] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Fécondée [1.13] | ||||||||
Fivaditsoratra | masikaty, masikita, miakatsy, mitsaika, mitsiaka, tsy maika |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |