Teny iditra mitsaitsaika (tsaitsaika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha mora dia mora, mamindra tsy re amin' ny loha tongotra: Aoka ianao hitsaitsaika fa sao dia manaitra zaza matory. Ny teny hoe: Mitsaitsaika dia fampiasa koa rehefa mihataka avy mamangy fahoriana olona: Ilaozanay hitsaitsaika ianareo, tompoko. (Raha mamangy an-kasoavana kosa, ny mifanohitra amin' ny Mitsaitsaika no ampiasaina, dia ny hoe: Mingodongodona) [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsaitsaika
Ny lasa : nitsaitsaika
Ny hoavy : hitsaitsaika
Filaza mandidy : mitsaitsaiha
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05