Teny iditra mpanelanelana (elanelana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Olona alaina hitsara ady na hampifanaraka olona roa miady; atao koa hoe elanelampanahy: Mifidy olona ho mpanelanelana
¶ Olona alaina mba hampifandray ny tena amin' olon-kafa raha misy zavatra angatahina amin' ity faharoa;mpanalalana: Ny Razana ve no mpanelanelana antsika amin' Andriananahary [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay intermédiaire; médium [SLP 1986]

Teny iditra mpanelanelana (elanelana)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy ana mitondra vovobony [SLP 1986]
Famaritana frantsay agent pollinisateur
¶ mpanelanelana simika: médiateur chimique [SLP 1986]
Voambolana 
Teny mitovy hevitra mpitati-bovobony

Teny iditra mpanelanelana
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy singa hazo na vy anambarana na anamafisanâ zavatra roa na maromaro [SLP 1986]
Famaritana frantsay entretoise [SLP 1986]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2010/05/19