Teny iditra | nanao > mañaoña | |
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | |
Fanazavàna teny malagasy | [Betsileo] Manangona, mitaona, manasa: Honeñe atoy ny mañaoña vahiny ndreke podene (Fomba aty manasa vahiny ambaram-podiny) [1.78] | |
Tovy hevitra | mañao | |
Fivaditsoratra | amonana, mañaoña |
Teny iditra | nanao > manao (tao) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako" Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra? [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To do, to act; to think [1.7] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Faire, agir; penser [1.8] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||
Lohateny | |||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny manao io | ||||||||
Fivaditsoratra | amona, manao, manoa, maona, moana, omana |
Teny iditra | nanao > nanaoka | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny frantsay | [Betsileo] . Nom qu'on donne au riz sur pied quand il verse ; quand il est couché par le vent. Sa récolte est alors plus difficile. Exprimé le souhait qu'on arrivera quand même à le moissonner. [1.196] | |
Fivaditsoratra | anakano, anokana, kanaoña, nanaoka |