Teny iditra ngoly
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy mahare rohana ny tena noho ny hatsiaka: Andeha hamindro kely aho fa ngoly izaitsizy ny tanako sy ny tongotro. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Benumbed, torpid from cold or a blow. Comp. voly [1.2]
 Numb from cold or from a blow or from sitting still [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Engourdi [1.3]
 Transi de froid; engourdi par un coup ou par l'immobilité [1.8]
Ohatra 
1Na dia te hanadino ny fangirifiriam-batana aza izy ireny, dia tahaka ny ngoly mbamin' ny molony ka ilazan-dresaka tsy nahy. [2.470]
2Tena lolo ny an' ise fa ngoly ny tenako manontolo sady jereo mikainkona avokoa ny tongotra aman-tanako, hoy indray Itsimandrava. [2.643]
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/04/11