Teny iditra Ny atsy sy ary
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rakotomalala Henri
Lahatsoratra 
Ny atsy, afom-pantàka mipoapoaka;
Ny ary, afom-bero mirefodrefotra;
Fa ny aty kosa
afon'ampombo
malemy vaika,
nefa tsy matahotra na miraika.
Tsofina mora
vao mihamiredaka,
kanefa mangina
tsy dedadedaka.
Fidodododon'ny iray tanàna
fa afo malefaka manafana!

Ny atsy, vara-mipoaka
mandatsaka aina;
Ny ary, kotrokotroka
mahamonaina;
Ny aty don-tokana
mahamanina
k'asakasakareo
te-ho savolaina,
ka ny mandrotsirotsy
no hosoketaina.

Ny atsy, rivo-doza
mandrava efa;
ny ary, tadio andosiran'olona;
ny aty amin'izany
tsarovy anefa
tsy mihintsana akory
fa vao vololona!
................
Ny atsy, ranomasina midadasika,
haingon'ny morony tora-pasika;
ny ary, farihy be manganohano,
alokalofan'ireo tatamo;
fa ny aty kosa, indrisy!
ka dobo kely,
tsisy hatsarana velively
fa mora ritra sy mety tankina,
nefa manana ny azy
tsy mila miankina!

Ny atsy, hono,
adrisa sy irony ambolo;
ny ary, soherina sy ireo lolo.
Ny aty kosa,
tsy ireo mahery,
fa kijeja malemy,
mieriery,
nefa mandrendrika
irony sambo
satria miray hina
tsy matin-kambo.

Ny atsy, jiro herimbaratra
lasan-davitra;
ny ary, jiro solika no mitaratra
k'izay rehetra jerena
dia toa miraratra.
Fa ny aty kosa,
lazaiko mora,
fa tongo-takotra sy jabora:
io no mba jiro-fanala-haizina,
ka asanareo
raha dia hanakora.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02