Teny iditra Ny Razana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Dox
Lahatsoratra 
Moa matory ve ny Razana ao ambany rangolahy
Sa momba antsika ihany ka mibitsika am-panahy?
Fon'iza no mitepo ao anatintsika izao?
Mbola mba ny fony va? Ny ao anatinao tsapao!

Ao ireo tanàna haolo atorian'ny taolambalony.
Nandao azy ireny isika: vohitra hafa no takalony;
Nefa miantso antsika izy mba hitodika an'ireny
Sy hihaino ao anaty ny fanahiny miteny!

Ny avelony mimpody mitady havana hitafana,
Babangoana anefa indrisy! f'efa resy ny tanàna!
Ny ao anatintsika koa sao avela ho babangoana!

Moa tsy mety ny mitandro sy miahy ny anaran-dray?
Henoy ny feon'ny Razantsika'ndrao izy hangaihay
Mahita antsika tsy azy intsony k'izy indray no hisaona!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02