Teny iditra | 1 Ny rivotra an-kadilanana |
Singan-teny | 2 rivotra, hadilanana |
Sokajin-teny | 3 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
Voambolana |
4 Haisoratra: tononkalo |
Mpanoratra |
5 Razafiniaina Charlotte |
Lahatsoratra |
6 Ny rivotra an-kadilanana, hono, miady fo samy ho any, ka ririnin-dava mandavan-taona, manenda-damba ny mitavoravora. E! ry rivotra, sarotim-panina ka manai-bovoka mandry, mampiriotra fako mifitsaka.
7 Setrasetra mba tian-katao ve, hono, sa zafikelin' Andrangoloaka ka tsy afaka amin' ny kao-drazana ? Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny! 8 Setriny 9 Rivotra aho ka rivotra. An-tanimarina aho, manao ranomandry; an-tendrombohitra aho, manao manga rivotra; am-pihoarana aho manao rarangy tsy miato. Sady aina aho no fahafatesana. Eny an-tendron' elatry ny fikopaka no anaterako tsioka manafosafo ny endrika mivoa-dinitra, fa ny ranomasina lalovako koa no mihotakotaka hatrany amin' ny fanambaniny. Hilaozako dimy minitra ve ny tany? Dia fahafatesana no anaran-tokana hilazana izao tontolo izao. Kao-drazana tsy azo avela ny anay, ka raha maso mataho-ditsoka, dia ny verimaso no ataovy marevaka, fa raha sima no mianala: miantsinanana voky rivotra, miankandrefana manahy lela. |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/05 |
![]() |