|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  O    o    
Sokajin-teny  2  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Tarehintsoratra fahefatra ambin'ny folo ary zanasoratra fahefatra amin'ny abidy malagasy. Ny zanatsoratra O dia mety hanana tonom-peo "ao" amin'ireto toe-javatra telo ireto ka amin'ireo roa farany dia asiana satrony (ô) ny fanoratana azy: a) amin'ny teny avy amin'ny fiteny vahiny: radio, sosisy; b) amin'ny teny fitenim-paritra sasantsasany: ny vôla (tsimihety); d) amin'ilay tenim-piontanana merina "ô": Tompo ô!
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.2] the fourteenth letter of the Malagasy alphabet. In accented syllables it has the sound of o in move, but a somewhat lighter sound in unaccented syllables. In the interjection "o" (used as a sign of the vocative case) and in some of the provinces it has the same sound as a single o in English.
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3] Quatorzième lettre et quatrième voyelle de l'alphabet malgache
Mpanahaka  6  abidy
Teny nalaina  7  Soratra misy io teny O io
Tsanganana sy sary iray takila  8  Ny abidia
Lahatsoratra  9  Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy
Sary 
10  11 

Teny iditra (2/4)12  ô
Sokajin-teny  13  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  14  [1.1] Fanao eo aorian' ny anaran' olona antsoina ka italahoana, na anaran-javatra heverina ho toy ny olona ka itenenana: Tompo ô, mihanta aminao izahay! / Ry tanindrazanay malala ô
Fanazavàna teny anglisy  15  [1.7] used in addressing people, as : Rakoto ô! oh, Rakoto!
Fanazavàna teny frantsay  16  [1.8] (vocative)
Ohatra  17  Rafotsy ô ! miantso andRampananambonitany, efa lehibe isika [2.48]

Teny iditra (3/4)18  -o
Sokajin-teny  19  mpisolo anarana [Fitanisana]
Mpanahaka  20  ko
Tsanganana sy sary iray takila  21  Ny mpisolo rehetra

Teny iditra (4/4)22  O    
Sokajin-teny  23  anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  24  [3.1] Ôksizenina. Singa mietona, fahavalo amin'ny fisokajiana miherina.
Fanazavàna teny anglisy  25  [3.1] Oxygen.
Fanazavàna teny frantsay  26  [3.1] Oxygène.
Voambolana  27  Simia
Tsanganana sy sary iray takila  28  Fisokajiana miherina

Nohavaozina tamin' ny 2024/12/21