Teny iditra | ravany > ravaka | |||||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | |||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Zavatra entina mahatsara tarehy olona na zavatra; haingo, renty: Ny fahamaotinana no ravaky ny tovovavy sarobidy indrindra [1.1] | |||||||||||||||
Zavatra entina na apetaka mba hahatsara jerena [1.13] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | An ornament, jewelry [1.7] | |||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Ornement, bijou [1.8] | |||||||||||||||
Décoration, parure [1.13] | ||||||||||||||||
Sampanteny |
| |||||||||||||||
Kamban-teny |
| |||||||||||||||
Mpanahaka | haingo | |||||||||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny ravaka io | |||||||||||||||
Lahatsoratra | Randzavola: ravaka ao amin' ny Baiboly | |||||||||||||||
Fivaditsoratra | ravaka, varaka |
Teny iditra | ravany > rava | |||||||||||||||
Sokajin-teny | matoanteny mpamaritra | |||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Simba tanteraka, potika: Ravan' ny rivo-doza ny tranony ka tsy nahita hialofana izy ~ Vao telo taona monja dia rava ny fanambadian' izy roa Tsy misy na inona na inona mijanona, fongana, foana: Rava ny fikasanay Mihahaka, miparitaka: Rava ny tafika ~ Efa rava ny kilalao vao tonga ianao [1.1] | |||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | Ruined, destroyed [1.7] | |||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Démoli, détruit [1.8] | |||||||||||||||
Ohatra |
| |||||||||||||||
Haiendriteny |
| |||||||||||||||
Sampanteny |
| |||||||||||||||
| ||||||||||||||||
Kamban-teny |
| |||||||||||||||
Zanakanarana | ||||||||||||||||
Fivaditsoratra | rava, vara |
Teny iditra | ravany > ravana (rava) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny iharana | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Fongorina, levonina: Noravana ilay tamboho tetsy atsimo tetsy Vahana, saratsarahina: Noravany aloha ilay famantaranandro mao namboariny indray Alefa; asaina miparitaka, mihahaka: Noravana tamin' ny efatra ny mpianatra [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To be ruined; to be torn down; to be dismissed (of a meeting) [1.7] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Qu'on démolit, qu'on détruit; qu'on lève (séance) [1.8] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny ravana io | ||||||||
Fivaditsoratra | ravana, varana |