Teny iditra sakoitra
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karazana kankana mivelona ao anaty tsinain' ny biby lehibebe sy ny olombelona; misy karazana roa ny sakoitra: ireo avy amin' ny hen' omby ary ireo avy amin' ny henan-kisoa; mety hahatratra valo metatra ny halavan' ny sakoitra ary mety hiteraka aretina amin' ny lalankanina na mamely ny hozatra. [Rajemisa 1985]
 karazan-kankana miaina amin'ny tsinain' olombelona sy ny biby sasany [SLP 1986]
Famaritana anglisy the tenia worm [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay ténia [Rajemisa: Vakoka, Hallanger 1974]
Famaritana frantsay ver intestinal, tricocéphale, ténia [SLP 1986]
Voambolana 
Sampanteny 
Teny mitovy hevitra viky vahy
Mpanahaka  kankana ~ viky
Ohatra Raha ondry, dia maty ny sakoitra, manehitra tambodiny dia maty; [Callet: Tantara, takila 118]

2013/06/10