|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  silaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] potika, sombina, vaky, tapaka
triatra, na vaky: Silaka ny nifiko
menatra: Silaka aho notenenin' ny lehibe teo imason' ny mpiara-miasa

Teny iditra (2/3)4  silaka
Sokajin-teny  5  anarana
Fanazavàna teny malagasy  6  [1.1] hazo na vy asisika eo amin' ny hazo efa natomboka hotsofaina mba tsy hanery ny tsofa, na tsofoka eo anelanelan' ny vato ka velezina mba hahavaky ilay vato
Ny potiny na sombiny avy amin' ny zavatra novakina na vaky: Sila-mofo
7  [1.13] sombiny
Fanazavàna teny anglisy  8  [1.7] a splinter, a small piece split off
Fanazavàna teny frantsay  9  [1.8] éclat de bois, pierre qui s'écaille ou se sépare
Ohatra  10  Samy mitana (mihazona) silaka voankena tsirairay ireo. [2.245#]
11  Izy ireo no tena foko feno fa ny sisa toa silaka foko ihany avokoa na ambiny aza. [2.606#]
Sampanteny 
12  Matoantenin' ny mpanao :
13  Matoantenin' ny iharana :
14  Matoantenin' ny fameno :
15  Anarana :
16  Mpamaritra :
Kamban-teny 

Teny iditra (3/3)20  silaka
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny frantsay  22  [1.13] partie: Silaka tontolon'i X = E [n] (Partie de X = E [n])
Voambolana  23  Matematika
Kamban-teny 

Fivaditsoratra  32  asilak, lakasi, lakasy, salaky, salika, sikala, silaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21