Teny iditra somary (sary)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy Mody, tsy dia tena: Somary nisafosafo saoka izy tamin' izay
¶ Manopy: Somary vony
¶ Saika... kely: Somary adalaizay ny rainy.
¶ Atsimo somary atsinanana: atsimo lasa miantsinanana kely [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy sort of, somewhat like [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay en quelque sorte, un peu comme si [Hallanger 1974]
Ohatra 
1--Mahafinaritra ity izy, hoy ny famaliny ny tenin-dRandrianaivo, ny feony somary mavesabesatra sy mivelabelatra. [Rajohanesa: Kintana]
2Somary naka hery Rainitoandro ka nampakatra ny feony. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 64]
3Hoy aho somary nihomehy. [Andriamalala: Ranomasina, takila 39]
4Ny fihetsiny ao an-trano koa toa somary terena, somary henjana. [Andraina: Mitaraina, takila 198]

2013/06/13