Teny iditra taratasy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra amboarina amin' ny zavamaniry na voridamba izay atao koba dia tampisahana manify dia manify, ka ampiasaina hanoratana: Manify loatra ity taratasy ity ka tsy azo anoratana
Ravin-taratasy
Soratra ifandefasan' ny olona roa mba hifamangiana, hifampilazana vaovao na hifampiraharahana: Nandefa taratasy tany amin' / dadatoa aho mba hamangiako azy tamin' ny nahafatesan' ny zanany
Teny ilazana ankapobeny ny soratra rehetra Raina ho fanamarinana ny fananan-javatra na fahavitan-draharaha iray: Ento daholo ny taratasy rehetra momba ny aotomobilina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Paper; a letter (correspondence) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Papier; lettre (de correspondance) [1.8]
Ohatra 
1Nakombony ny diariny, ka mbola nandray ny taratasy ihany izy hanoratra; [2.324]
2olona manoratra sy mandrotsaka taratasy anaty vatakely no tsinjony. [2.470]
Kamban-teny 
Zanakanarana Voninkazo taratasy (Rajaobelison Samuël)

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18