Teny iditra tsiahivina (tsiahy)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Ohatra 
1Nataoko tsiliantsofina tamin' dRaboto ny faniriako hividy volamena sy vatosoa sady notsiahiviko taminy ny resany fahiny nanambara ny fahitany toerana misy ireo zavatra ireo miparitaka amin' ny tany. [2.471]
2Tsiahivintsika ny zava-nisy. [4.27]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsiahivina, tsiahiviko, tsiahivinao, tsiahiviny, tsiahivintsika, tsiahivinay, tsiahivinareo, tsiahivin', tsiahivin-, tsiahivim-, tsiahivi-
Ny lasa : notsiahivina, notsiahiviko, notsiahivinao, notsiahiviny, notsiahivintsika, notsiahivinay, notsiahivinareo, notsiahivin', notsiahivin-, notsiahivim-, notsiahivi-
Ny hoavy : hotsiahivina, hotsiahiviko, hotsiahivinao, hotsiahiviny, hotsiahivintsika, hotsiahivinay, hotsiahivinareo, hotsiahivin', hotsiahivin-, hotsiahivim-, hotsiahivi-
Tovy hevitra tsahina ~ tsahivina

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31