Teny iditra tsiloina (tsilo)
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Famaritana malagasy Asiana tsilo: Tsiloy ity lalankely ity mba tsy handehanan' ny mpangalatra
¶ Apetaka amin' ny tsilo: Notsiloiny tamin' ny rindrina ilay sary [Rajemisa 1985]
Endriteny 
tsiloina
tsiloiko
tsiloinao
tsiloiny
tsilointsika
tsiloinay
tsiloinareo
tsiloin'
tsiloin-
tsiloim-
tsiloi-
notsiloina
notsiloiko
notsiloinao
notsiloiny
notsilointsika
notsiloinay
notsiloinareo
notsiloin'
notsiloin-
notsiloim-
notsiloi-
hotsiloina
hotsiloiko
hotsiloinao
hotsiloiny
hotsilointsika
hotsiloinay
hotsiloinareo
hotsiloin'
hotsiloin-
hotsiloim-
hotsiloi-
tsiloy

Teny iditra tsiloina (tsilo)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Misy tsilony: Biby tsiloina ny sokina [Rajemisa 1985]
Ohatra Tany feno zozoro, herana, bararata, tsinkafonkafona, viha ary zava-maniry kaboa-taho sy tsiloina misy telo na efa-metatra ny haavony atao hoe vodifonga, io tany io. [Andraina: Mitaraina, takila 170]

2013/07/26