Teny iditra tsiloina (tsilo)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asiana tsilo: Tsiloy ity lalankely ity mba tsy handehanan' ny mpangalatra
Apetaka amin' ny tsilo: Notsiloiny tamin' ny rindrina ilay sary [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : tsiloina, tsiloiko, tsiloinao, tsiloiny, tsilointsika, tsiloinay, tsiloinareo, tsiloin', tsiloin-, tsiloim-, tsiloi-
Ny lasa : notsiloina, notsiloiko, notsiloinao, notsiloiny, notsilointsika, notsiloinay, notsiloinareo, notsiloin', notsiloin-, notsiloim-, notsiloi-
Ny hoavy : hotsiloina, hotsiloiko, hotsiloinao, hotsiloiny, hotsilointsika, hotsiloinay, hotsiloinareo, hotsiloin', hotsiloin-, hotsiloim-, hotsiloi-
Filaza mandidy : tsiloy

Teny iditra tsiloina (tsilo)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Misy tsilony: Biby tsiloina ny sokina [1.1]
Ohatra Tany feno zozoro, herana, bararata, tsinkafonkafona, viha ary zava-maniry kaboa-taho sy tsiloina misy telo na efa-metatra ny haavony atao hoe vodifonga, io tany io. [2.472]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31