Teny iditra Tsy hodinganina ny maty (dingana, faty)
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy... sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02