Teny iditra | 1 vaninteny |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.146#15] tarehintsoratra tokana na maro izay tononina indray miaraka, na hoe feo iray tanteraka. Ohatra: mi-hi-na-na, sa-ka-fo, i-si-ka Misy teny sasany vaninteny iray monja. Ohatra: mba, ho, ra. Misy vaninteny roa. Ohatra: kibo, vary, hena. Misy vaninteny telo, efatra ary mihoatra an' izany aza. Ohatra: me-na-ka, ka-ra-za-na, a-sa-li-sa-ly. Ny zanatsoratra roa mifanarakaraka dia mety hikambana ho feo iray ka vaninteny tokana ihany, na samy mitana ny feony avy ka vaninteny roa. Ohatra: tsi-nay, a-i-lika, ha-ndroi-na, fo-i-zi-na, tao-la-na, a-o-la-na. Raha mampisaraka ny vaninteny ao amin' ny teny iray, dia ampiarahina mandrakariva ireo renisoratra roa mifampibaby fa tsy sarahina. Ohatra: mo-mba, ha-tra-ny, na-ha-ndro. 4 [1.13] fitambaran'ny feo tononina miaraka |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.13] syllabe |
Voambolana |
6 Haiteny |
Singan-teny | 7 vany, teny |
Kamban-teny |
|
Nohavaozina tamin' ny 2025/07/29 |
![]() |