Teny iditra | 1 varinesy |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Zavatra ahosotra ny hazo mba hampalambolambo ary hampamirapiratra azy 4 [1.13] karazan-dranoka ahosotra na atifitra hampangirana zavatra iray |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3] vernis 6 [1.13] vernis, émail |
Ohatra |
7 Voamboana no nanaovana azy, ary voahosotra varinesy. [2.332#] 8 Mamindra amin' izay izy amin' ny tongotra mingadongadona tsara voavitsy, sady vita varinesy amin' ny savony - fara-kaingo izany tamin' izay. [1.437#] |
Kamban-teny |
|
Fivaditsoratra | 13 varinesy, vesariny |
Nohavaozina tamin' ny 2023/10/26 |