Teny iditra volena (voly)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny tany asiana voly: Voleo tsaramaso ity tany ity, ary itsy kosa voleo katsaka. (Tsara hotsahivina fa ny "ambolena" dia enti-milaza ny zavamaniry, ny masomboly mihitsy, fa ny "volena" kosa enti-milaza ny tany na toerana asiana azy: Amboleo atsy avara-trano ity taho-mangahazo ity -- Voleo mangahazo atsy avaratrano) [1.1]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : volena, voleko, volenao, voleny, volentsika, volenay, volenareo, volen', volen-, volem-, vole-
Ny lasa : novolena, novoleko, novolenao, novoleny, novolentsika, novolenay, novolenareo, novolen', novolen-, novolem-, novole-
Ny hoavy : hovolena, hovoleko, hovolenao, hovoleny, hovolentsika, hovolenay, hovolenareo, hovolen', hovolen-, hovolem-, hovole-
Filaza mandidy : voleo
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20