Teny iditra zakaina (zaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Leferina: Zakao ny zava-tsarotra fa hisy valiny ihany izany
Entina, fehezina, didiana: Niala ilay mpampianatra fa tsy hainy zakaina, hono, ireo mpianatra maditra ireo
Karakaraina, iantohana: Nozakain' ny fokonolona daholo ny sekoly tao amin' ny fokontany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be endured [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on supporte [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : zakaina, zakaiko, zakainao, zakainy, zakaintsika, zakainay, zakainareo, zakain', zakain-, zakaim-, zakai-
Ny lasa : nozakaina, nozakaiko, nozakainao, nozakainy, nozakaintsika, nozakainay, nozakainareo, nozakain', nozakain-, nozakaim-, nozakai-
Ny hoavy : hozakaina, hozakaiko, hozakainao, hozakainy, hozakaintsika, hozakainay, hozakainareo, hozakain', hozakain-, hozakaim-, hozakai-
Filaza mandidy : zakao

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20